2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana.
4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray.
5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
8 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.