1 Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.
2 Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
3 Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
4 Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!