29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
31 Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
32 Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
33 fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.