3 Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin'izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4 Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
5 Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6 Ampy ho amin'izany olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,
7 ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin'ny fitomboan'alahelo izany olona izany.
8 Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.
9 Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra ianareo,na tsia.