5 Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6 Ampy ho amin'izany olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,
7 ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin'ny fitomboan'alahelo izany olona izany.
8 Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.
9 Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra ianareo,na tsia.
10 Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason'i Kristy,
11 fandrao ho resin'ny fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.