10 Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11 dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
12 Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
13 satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;
14 ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo.
15 Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.