5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
8 ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.