12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.
13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.
15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.