4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
5 Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
9 Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10 Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina.