5 Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6 fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7 Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8 Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
9 Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
10 Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11 dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.