15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny.
16 Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.
17 Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
18 Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.