1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.