3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany.
4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6 Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7 Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9 Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.