22 Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
27 Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.