1 Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,