48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.
49 Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
51 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
52 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.