13 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
14 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15 Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
17 Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
18 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
19 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;