7 Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
8 Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
9 fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
10 Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
11 Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
13 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy: