24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
28 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?