34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
35 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
37 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
38 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
40 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.