25 sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.