1 Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
2 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
3 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
4 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.