34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.