30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
32 Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
33 Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34 Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
35 Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.