3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.
6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
7 Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8 Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
9 Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.