18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio;
23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;