26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;