28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.
34 Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.