9 Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"
12 ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao" (Sal 22.22).
13 Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.