19 Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
20 Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.