28 Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
31 Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.