22 Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny helony.
23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
24 Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
25 fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).
26 Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.