5 Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
6 Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
7 Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
8 Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
9 dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa?
11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.