23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
27 Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?