13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
14 Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
17 Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.