1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?