33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva.
36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
38 Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.