1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5 Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.