9 Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;
10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
13 Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
15 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy.