1 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa
2 araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany:
3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
4 mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.