41 Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,
42 dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43 Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
44 Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45 Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;