23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?
27 Hevero ny fanirin'ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.