31 Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
32 Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
33 Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
35 Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).