32 Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33 ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34 Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
35 Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36 Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37 Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38 Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.