12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.
18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.