25 Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra.
26 Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;