19 Ary renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
20 Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankatò azy.
22 Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
23 Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
24 Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
25 Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!