16 Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.
17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
18 Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
19 Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
20 Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.
21 Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
22 ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.