63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
64 Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
65 Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
66 Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;
67 ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
68 Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
69 Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;