18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
22 Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony
23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.